Epistily ho an'ny Hebreo 11:29
Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina, izay mba nandraman’ ny Egyptiana, ka dia voatelina izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Finoana no nampirodana ny màndan’ i Jeriko, rehefa nohodidinina hafitoana.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 11
Cross References
Exodus 14:13Ary hoy Mosesy tamin’ ny olona: Aza matahotra ianareo, mijanòna, fa ho hitanareo ny famonjen’ i Jehovah, izay hataony ho anareo anio; fa ny Egyptiana, izay hitanareo anio, dia tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Nehemiah 9:11Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ ny lalina tahaka ny vato amin’ ny rano manonja.
Psalms 78:13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
Psalms 114:1Fony nivoaka avy tany Egypta ny Isiraely, Dia ny taranak’ i Jakoba avy tany amin’ ny firenena hafa fiteny,
Isaiah 11:15Ary Jehovah handritra ny sakeli-dranomasina Egyptiana ary haninjitra ny tànany amin’ ny ony ka hamely azy amin’ ny rivony mahamay Ka hampisaraka azy hisampana fito Ary hahatafita ny olona tsy miala kapa.
Isaiah 63:11Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’ i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,