Epistily ho an'ny Hebreo 11:32
Ary inona koa no holazaiko? Fa ho lany ny andro, raha milaza an’ i Gideona sy Baraka sy Samsona ary Jefta aho, Davida koa sy Samoela ary ny mpaminany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 11
Cross References
Judges 6:11Dia tonga Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’ i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin’ ny fantàka teo anilan’ ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin’ ny Midiana.
Judges 13:1Ary ny Zanak’ Isiraely nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah indray, ka dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Filistina efa-polo taona izy.
1 Samuel 1:20Ary tamin’ ny fahatanterahan’ ny andro dia nanan’ anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela, fa hoy izy: Tamin’ i Jehovah no nangatahako azy.
1 Samuel 2:18Fa Samoela nanao fanompoam-pivavahana teo anatrehan’ i Jehovah raha mbola zaza, ary nisalotra efoda rongony fotsy izy.
1 Samuel 12:11Ary Jehovah efa naniraka an’ i Jerobala sy Bedana sy Jefta ary Samoela, ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny fahavalonareo manodidina Izy, dia nandry fahizay ianareo.
1 Samuel 16:13Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ ny rahalahiny; ary ny Fanahin’ i Jehovah dia nilatsaka tamin’ i Davida hatramin’ iny andro iny. Dia nitsangana Samoela ka nankany Rama.