Epistily ho an'ny Hebreo 11:4
Finoana no nanateran’ i Abela ho an’ Andriamanitra fanatitra tsara noho ny an’ i Kaina, ka izany no nanambarana azy fa marina, satria Andriamanitra no nanambara ny amin’ ny fanatitra nataony: ary amin’ izany, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 11
Cross References
Genesis 4:8Ary Kaina niteny tamin’ i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an’ i Abela rahalahiny, ka namono azy.
Genesis 4:15Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an’ i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an’ i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
Leviticus 9:24Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
Job 8:10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
Proverbs 21:27Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin’ ny sain-dratsy no itondrany azy.
Luke 11:51dia hatramin’ ny ran’ i Abela ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ ity taranaka ity izany.