The Bible Software
bible.software › Epistily ho an'ny Hebreo › Epistily ho an'ny Hebreo 11 › Epistily ho an'ny Hebreo 11:7

Epistily ho an'ny Hebreo 11:7

Finoana no nanamboaran’ i Noa sambo fiara hamonjena ny ankohonany, fa natahotra izy, rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra ny amin’ ny zavatra tsy mbola hita; koa izany no nanamelohany izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana araka ny finoana.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

By faith Noah, being warned of God of things not seen as yet, moved with fear, prepared an ark to the saving of his house; by the which he condemned the world, and became heir of the righteousness which is by faith.

In Context

6Fa raha tsy amin’ ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’ Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.

8Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izay tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany.

Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 11

Cross References

Genesis 6:13Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.

Genesis 7:23Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ ny tany, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ ny sambo-fiara ihany no sisa velona.

Genesis 19:14Dia nivoaka Lota ary niteny tamin’ ny vinantony, izay efa hanambady ny zananivavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin’ ity tanàna ity; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon’ ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy.

2 Kings 4:5Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin’ izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.

Proverbs 22:3Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

Ezekiel 3:17Ry zanak’ olona, efa nataoko mpitily ho an’ ny taranak’ Isiraely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin’ ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)聖書 (日本語)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBiblia TakatifuBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)

Study Epistily ho an'ny Hebreo 11:7

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeAlbert BarnesJohn WesleyJohn CalvinScofieldWilliam BurkittFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Epistily ho an'ny Hebreo 11:6Epistily ho an'ny Hebreo 11Epistily ho an'ny Hebreo 11:8 →