Epistily ho an'ny Hebreo 12:1
Koa amin’ izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ ny faharetana amin’ izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 12
Cross References
Job 8:10Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
Isaiah 60:8Iza moa ireto manidina tahaka ny rahona ary tahaka ny voromailala ho amin’ ny varavarankeliny?
Ezekiel 38:16ary hiakatra hamely ny Isiraely oloko tahaka ny fiakatry ny rahona hanarona ny tany ianao; any am-parany no ho tonga izany; ary ho entiko hamely ny taniko ianao, mba hahafantaran’ ny firenena Ahy, rehefa miseho ho masìna eo anatrehany Aho amin’ ny ataoko aminao, ry Goga.
Matthew 10:37Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
Mark 10:50Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
Luke 9:59Ary hoy Izy tamin’ ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.