Epistily ho an'ny Hebreo 12:10
Fa ireny dia nanao izay hahafay antsika tamin’ ny andro vitsy araka izay sitrapony, fa Izy kosa dia ny hahasoa, mba handraisantsika ny fahamasinany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 12
Cross References
Leviticus 19:2Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
Psalms 17:15Fa izaho kosa, dia aoka hahita ny tavanao amin’ ny fahamarinana; aoka ny endrikao no hahafa-po ahy, raha mifoha.
Ephesians 4:24ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.
Colossians 1:22tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masìna sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,
Hebrews 12:5Ary hadinonareo ny fananarana izay milaza aminareo toy ny amin’ ny zanaka hoe: “Anaka, aza atao ho zavatra kely ny famaizana ataon’ i Jehovah, Ary aza reraka, raha resi-lahatry ny anatra ataony ianao;
1 Peter 2:5ka dia atsangana koa ianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masìna, hanatitra fanati-panahy sitrak’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.