Epistily ho an'ny Hebreo 12:15
Ary mitandrema tsara, fandrao hisy hiala amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra; fandrao hisy faka mangidy mitsimoka hampikorontana, ka ho voaloto ny maro;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 12
Cross References
Exodus 32:21Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Inona no nataon’ ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
Deuteronomy 29:18ary raha ren’ izany olona izany ny tenin’ ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin’ ny mangetaheta.
Joshua 6:18Kanefa mitandrema kosa ianareo ny amin’ ny zavatra voaozona, fandrao manolotra zavatra ho voaozona ianareo, nefa maka amin’ ny zavatra voaozona kosa, ka mahatonga ny tobin’ ny Isiraely ho voaozona ary mampidi-doza aminy.
Joshua 22:17Zavatra kely loatra amintsika va ilay heloka ny amin’ i Peora, izay tsy mbola nahadiovantsika ny tenantsika ho afaka amin’ izany mandraka androany na dia efa nisy aza ilay areti-mandringana tamin’ ny fiangonan’ i Jehovah,
Proverbs 4:23Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian’ ny aina.
Isaiah 5:7Fa ny taranak’ i Isiraely no tanim-boalobok’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Ary ny lehilahy amin’ ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.