Epistily ho an'ny Hebreo 12:23
amin’ ny fihaonana fifaliana’ sy ny fiangonan ny lahimatoa voasoratra any an-danitra, sy amin’ Andriamanitra, Mpitsara ny olona rehetra, ary amin’ ny fanahin’ ny olona marina izay efa natao tanteraka,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 12
Cross References
Genesis 18:25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
Exodus 13:2Hamasino ho Ahy ny lahimatoa rehetra, dia izay voalohan-teraka rehetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely, na olona na biby fiompy: Ahy ireny.
Deuteronomy 21:17fa ny lahimatoa, zanak’ ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin’ izay rehetra ananany; fa voalohan’ ainy izy, ka azy ny fizokiana.
Psalms 69:28Aoka hiampy ny helony; ary aoka tsy hiditra amin’ ny fahamarinanao izy.
Psalms 89:27Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Hianao, Andriamanitro sy Vatolampin’ ny famonjena ahy.
Psalms 96:13Eo anatrehan’ i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin’ ny fahamarinany.