Epistily ho an'ny Hebreo 12:24
sy amin’ i Jesosy, Mpanalalana amin’ ny fanekena vaovao, ary amin’ ny rà famafazana, izay tsara lavitra noho ny an’ i Abela.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 12
Cross References
Genesis 4:10Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon’ ny ran’ ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ ny tany.
Isaiah 55:3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.
Matthew 23:35mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
Mark 14:24Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.
Luke 22:20Ary araka izany koa ny kapoaka, rehefa vita ny sakafo, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ ny rako, izay aidina ho anareo.
Hebrews 7:22― dia tahaka izany koa no nanaovana an’ i Jesosy ho Mpiantoka ny fanekena tsara lavitra.