Epistily ho an'ny Hebreo 12:29
fa Andriamanitsika dia afo mandevona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For our God is a consuming fire.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 12
Cross References
Exodus 24:17Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 16:35Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
Deuteronomy 9:3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.
Psalms 97:3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.
Daniel 7:9Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
Hebrews 10:27fa fiandrasana mahatahotra amin’ ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.