Epistily ho an'ny Hebreo 2:11
Fa iray no nihavian’ izy roroa, na Izay manamasìna, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe “rahalahy”
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12ka manao hoe: “Hitory ny anaranao amin’ ny rahalahiko Aho; Eo amin’ ny fiangonana no hiderako Anao”.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 2
Cross References
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
Mark 8:38Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.
John 17:19Ary ho an’ ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan’ ny fahamarinanao azy.
John 20:17Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
Acts 17:28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
Galatians 4:4fa rehefa tonga ny fotoan’ andro, dia nirahin’ Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin’ ny lalàna,