Epistily ho an'ny Hebreo 2:14
Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ ny fahafatesana ilay manana ny herin’ ny fahafatesana, dia ny devoly,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ary koa: “Izaho hatoky Azy”. Ary indray koa: “Indreto Izaho sy ireo zaza nomen’ Andriamanitra Ahy”.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 2
Cross References
Isaiah 7:14Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan’ anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.
Isaiah 53:12Koa dia hanome Azy anjara amin’ ny lehibe Aho, ary hizara babo amin’ ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin’ ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan’ ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan’ ny maro sady manao fifonana ho an’ ny mpanota.
Matthew 25:41Ary dia hilaza indray amin’ izay eo amin’ ny ankaviany kosa Izy hoe: Mialà amiko, ianareo izay voaozona, ho any amin’ ny afo maharitra mandrakizay, izay voavoatra ho an’ ny devoly sy ny anjeliny;
John 12:24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
Romans 8:3Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo,
1 Corinthians 15:50Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakan’ Andriamanitra, ary ny fahalòvana tsy mandova ny tsi-fahalòvana.