Epistily ho an'ny Hebreo 2:17
Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak’ i Abrahama no vonjeny.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 2
Cross References
2 Chronicles 29:24dia novonoin’ ny mpisorona ireo, ka ny ràny nataony teo amin’ ny alitara araka ny fanao ho fanatitra noho ny ota hanaovana fanavotana ho an’ ny Isiraely; fa ho an’ ny Isiraely rehetra no nasain’ ny mpanjaka nanaovana ny fanatitra dorana sy ny fanatitra noho ny ota.
Ezekiel 45:15Ary ondry iray isan-droanjato amin’ ny tanin’ ny Isiraely izay azon-drano no haloanareo hatao fanatitra hohanina sy fanatitra dorana ary fanati-pihavanana, mba hanaovana fanavotana ho an’ ny vahoaka, hoy Jehovah Tompo.
Ezekiel 45:20Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny andro fahafito amin’ ny volana ho an’ ny olona manota tsy nahy, na noho izy kely saina, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny trano ianareo.
Romans 5:10Fa raha fony mbola fahavalo aza isika no nampihavanina tamin’ Andriamanitra tamin’ ny nahafatesan’ ny Zanany, mainka ny hamonjena antsika amin’ ny fahavelomany ankehitriny, rehefa nampihavanina.
2 Corinthians 5:18Fa izany rehetra izany dia avy amin’ Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin’ ny alalan’ i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana,