Epistily ho an'ny Hebreo 2:3
hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin’ ny voalohany, ary nohamafin’ izay nandre tamintsika kosa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 2
Cross References
Isaiah 20:6Ary amin’ izany andro izany ny mponina etỳ amoron-dranomasina dia hanao hoe: He! ity manjo ilay nantenaintsika sady nandosirantsika ho famonjena antsika ho afaka amin’ ny mpanjakan’ i Asyria! Aiza intsony re no handosirantsika?
Isaiah 51:8Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon’ ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin’ ny taranaka fara-mandimby.
Ezekiel 17:15Fa niodina taminy izy ka naniraka olona hankany Egypta, mba hanome soavaly sy olona maro azy ireo. Moa hambinina va izy? Ho afa-mandositra va izay manao toy izany? Nivadika ny fanekena izy, ka ho afa-mandositra va?
Matthew 4:17Ary tamin’ izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ ny lanitra.
Mark 1:14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
Luke 1:2araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany: