Epistily ho an'ny Hebreo 3:12
Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 3
Cross References
Job 21:14Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
Psalms 18:21Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan’ ny tanako no namaliany ahy.
Isaiah 59:13Dia ny miodina sy ny mandà an’ i Jehovah, ary ny miala amin’ ny fanarahana an’ Andriamanitray, ny miteny fampahoriana sy fikomiana, ary ny mamorona sy mamoaka teny lainga avy ao am-po.
Jeremiah 3:17Amin’ izany andro izany no hanononana an’ i Jerosalema hoe Seza fiandrianan’ i Jehovah; Ary hivory any ny jentilisa rehetra noho ny anaran’ i Jehovah any Jerosalema, ary izy tsy handeha intsony araka ny ditry ny fo ratsiny.
Jeremiah 11:8Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’ izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.
Jeremiah 17:5Izao no lazain’ i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin’ i Jehovah ny fony.