Epistily ho an'ny Hebreo 3:5
Ary Mosesy dia mpanompo nahatoky tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra rehetra, ho fanambarana izay zavatra mbola holazaina;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 3
Cross References
Exodus 14:31Ary rehefa hitan’ ny Isiraely ny asa lehibe izay nataon’ ny tànan’ i Jehovah tamin’ ny Egyptiana, dia natahotra an’ i Jehovah ny olona ka nino an’ i Jehovah sy Mosesy mpanompony.
Deuteronomy 3:24Jehovah Tompo ô, Hianao vao naneho tamin’ ny mpanomponao ny fahalehibiazanao sy ny tananao mahery; fa aiza no misy andriamanitra, na any an-danitra na atỳ an-tany, izay mahay manao araka ny asanao sy ny herinao?
Deuteronomy 34:5Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.
Joshua 1:7Koa mahereza sy matanjaha tsara ianao, hitandremanao hanao araka ny lalana rehetra, izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba hambinina ianao amin’ izay rehetra alehanao.
Joshua 8:31araka izay nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah, ny Zanak’ Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
Nehemiah 9:14Ary nampahalala azy ny Sabatanao masìna Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;