Epistily ho an'ny Hebreo 4:2
Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin’ izay nandre.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 4
Cross References
Acts 13:46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay;
Romans 10:16Nefa tsy izy rehetra no nanaiky ny teny soa mahafaly. Fa hoy Isaia: Jehovah ô, iza no nino ny teny nampitondraina anay?
Galatians 3:8Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;
1 Thessalonians 1:5fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.
2 Thessalonians 2:12mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy nino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina.
Hebrews 3:12Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin’ Andriamanitra velona;