Epistily ho an'ny Hebreo 5:1
Fa ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ ny olona ka tendrena ho solon’ ny olona hanao ny raharahan’ Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 5
Cross References
Exodus 28:1Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
Leviticus 8:2Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
Leviticus 9:15Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
Numbers 18:1Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Hianao sy ny zanakao ary ny tarana-drainao no hitondra ny heloky ny fitoerana masìna; ary ianao sy ny zanakao koa no hitondra ny heloky ny fisoronanareo.
Hebrews 7:27Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
Hebrews 9:9fanoharana izany amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ ny fieritreretana