Epistily ho an'ny Hebreo 5:3
ary noho izany dia tsy maintsy hanao fanatitra hanafaka ota ho an’ ny tenany koa izy, toy ny ataony ho an’ ny olona ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And by reason hereof he ought, as for the people, so also for himself, to offer for sins.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 5
Cross References
Leviticus 4:3raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.
Leviticus 9:7Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an’ ny tenanao sy ho an’ ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’ i Jehovah.
Leviticus 16:15Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Hebrews 9:7Fa ny faharoa kosa no idiran’ ny mpisoronabe irery ihany indray mandeha isan-taona; ary izy aza dia tsy miditra, raha tsy mitondra rà, izay ateriny noho ny amin’ ny tenany sy ny fahadisoana nataon’ ny olona amin’ ny tsi-fahalalana;