Epistily ho an'ny Hebreo 5:4
Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra, tahaka an’ i Arona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And no man taketh this honour unto himself, but he that is called of God, as was Aaron.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 5
Cross References
Leviticus 8:2Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
Numbers 16:5ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
Numbers 16:10Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak’ i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
Numbers 17:3ary ny fitondran’ afon’ ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’ i Jehovah ireny ka masìna; ary ho famantarana ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny.
Numbers 18:7Fa ianao sy ny zanakao kosa no hitandrina ny fisoronanareo ka hanompo ny amin’ ny zavatra rehetra momba ny alitara sy ny ao anatin’ ny efitra lamba, dia fanompoana omeko anareo ny fisoronana; ary ny olon-kafa izay manakaiky dia hatao maty.