Epistily ho an'ny Hebreo 5:7
Tamin’ ny andron’ ny nofony, raha nanao fivavahana sy fangatahana nomban’ ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin’ izay nahavonjy Azy tamin’ ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an’ Andriamanitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8dia nianatra fanarahana tamin’ izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza;
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 5
Cross References
Leviticus 2:2Ary hitondra azy ho amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, izy, dia handraofan’ ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
Psalms 18:19Nisakana ahy tamin’ ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy.
Psalms 22:24Hianareo izay matahotra an’ i Jehovah, miderà Azy; ry taranak’ i Jakoba rehetra, manomeza voninahitra Azy; ary matahora Azy, ry Zanak’ Isiraely rehetra.
Psalms 69:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon’ i Davida.
Psalms 88:1Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta. Ho an’ ny mpiventy hira. Almahalath-leanoth. Maskila nataon’ i Hemana Ezrahita.
Isaiah 53:3Natao tsinontsinona sy nolavin’ ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian’ ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.