Epistily ho an'ny Hebreo 6:20
tany no nidiran’ i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe “mandrakizay araka ny fanaon’ i Melkizedeka” Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 6
Cross References
John 14:2Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
Ephesians 1:3Isaorana anie Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin’ i Kristy amin’ ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
Hebrews 1:3Izy koa no famirapiratan’ ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ ny herin’ ny teniny; ary rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Lehibe any amin’ ny avo
Hebrews 2:17Koa amin’ izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin’ Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.
Hebrews 4:14Koa satria Isika manana Mpisoronabe lehibe, Izay lasa namaky ny lanitra, dia Jesosy, Zanak’ Andriamanitra, aoka isika hihazona ilay efa nekentsika.
Hebrews 5:10fa notononin’ Andriamanitra hoe Mpisoronabe “araka ny fanaon’ i Melkizedeka.”