Epistily ho an'ny Hebreo 7:18
Fa misy fahafoanana ny didy nialoha noho ny halemeny sy ny tsi-fanasoavany
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Fa Izy dia nambara hoe: “Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon’ i Melkizedeka”.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 7
Cross References
Acts 13:39ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy.
Romans 8:3Fa izay tsy hain’ ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’ Andriamanitra tamin’ izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin’ ny nofo,
Galatians 3:17Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’ Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.
Galatians 4:21Milazà amiko, ianareo izay te-ho ambanin’ ny lalàna: tsy renareo va ny lalàna?
Hebrews 7:11Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
Hebrews 8:7Fa raha tsy nanan-tsiny izany fanekena voalohany izany, dia tsy mba nisy fitoerana hotadiavina ho an’ ny faharoa.