Epistily ho an'ny Hebreo 7:2
sady nomen’ i Abrahama ny ampahafolon’ ny zavatra rehetra aza (voalohany, raha adika ny anarany, dia Mpanjakan’ ny fahamarinana, dia vao Mpanjakan’ i Salema koa, izany hoe: Mpanjakan’ ny fiadanana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 7
Cross References
Genesis 28:22ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
Numbers 18:21Ary, indro, ny taranak’ i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ ny trano-lay fihaonana.
1 Samuel 8:17Ary halainy koa ny ampahafolon’ ny ondry aman’ osinareo; ary ny tenanareo ho tonga mpanompony.
2 Samuel 23:3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
1 Chronicles 22:9Fa, indro, ianao hiteraka zazalahy, izay ho lehilahy miadana, ary hampiadaniko tsy hisy hahazo azy ny fahavalony rehetra manodidina; koa ny anarany dia hatao hoe Solomona; ary hampiadaniko sy hampandriko fahizay ny Isiraely amin’ ny androny.
Psalms 72:1Nataon’ i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an’ ny mpanjaka ny fitsarànao, ary ho an’ ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.