Epistily ho an'ny Hebreo 7:27
Izay tsy mila hanatitra fanatitra isan’ andro tahaka ny ataon’ ireny mpisoronabe ireny, voalohany noho ny otan’ ny tenany, dia vao noho ny an’ ny olona kosa; fa izany dia nataony indray mandeha ihany, raha nanatitra ny tenany Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 7
Cross References
Leviticus 4:3raha ny mpisorona voahosotra no manota ka mahameloka ny olona, dia aoka hanatitra vantotr’ ombilahy tsy misy kilema izy noho ny fahotany izay nataony, dia fanatitra noho ny ota ho an’ i Jehovah.
Leviticus 16:6Dia hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany izy.
Leviticus 16:15Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Isaiah 53:10Nefa sitrak’ i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon’ i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Ephesians 2:22Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan’ Andriamanitra amin’ ny Fanahy.
Titus 2:14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.