Epistily ho an'ny Hebreo 8:1
Ary amin’ izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay efa mipetraka eo amin’ ny ankavanan’ ny seza fiandrianan’ ny Avo Indrindra any an-danitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 8
Cross References
1 Chronicles 29:11Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’ izy rehetra.
Psalms 21:5Aina no nangatahiny taminao, dia nomenao azy izany, dia andro lava mandrakizay doria.
Psalms 104:1Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
Psalms 145:12Mba hampahafantarina ny zanak’ olombelona ny herinao Sy ny haben’ ny voninahitry ny fanjakanao.
Micah 5:4Ary Izy no ho fiadanana; Raha tonga eto amin’ ny tanin-tsika ny Asyriana Ka miditra ao amin’ ny tranobentsika, Dia hanangana mpiandry ondry fito sy mpanapaka valo hisakana azy isika.
Colossians 3:1Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.