Epistily ho an'ny Hebreo 8:10
Fa izao no fanekena hataoko amin’ ny taranak’ isiraely, Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko, Sady hosoratako ao am-pony, Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 8
Cross References
Exodus 19:5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.
Exodus 24:7Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
Exodus 34:27Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ ny Isiraely.
Song of Solomon 2:16Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin’ ny lilia.
Jeremiah 31:1Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia ho Andriamanitry ny isam-pianakavian’ ny Isiraely Aho, ary izy ho oloko.
Jeremiah 32:38ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.