Epistily ho an'ny Hebreo 8:11
Ary samy tsy hampianatra ny namany sy ny rahalahiny avy izy, Na hanao hoe: Mahalalà an’ i Jehovah; Fa samy hahalala Ahy avokoa izy rehetra Hatramin’ ny kely indrindra ka hatramin’ ny lehibe indrindra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 8
Cross References
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Ezra 7:25Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
Isaiah 54:13Ary ny zanakao rehetra dia ho samy efa nampianarin’ i Jehovah, ka dia ho be ny fiadanan’ ny zanakao.
Jeremiah 24:7Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin’ ny fony rehetra izy.
Jeremiah 42:1Ary ny mpifehy ny miaramila rehetra sy Johanana, zanak’ i Karea, sy Jazania, zanak’ i Hosaia, mbamin’ ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe, dia nanatona
Jeremiah 44:12Ary halaiko ny sisa amin’ ny Joda, izay nikiry hankany amin’ ny tany Egypta hivahiny any, ka ho lany ritra izy rehetra; any amin’ ny tany Egypta no hahalavoany, samy ho ringan’ ny sabatra sy ny mosary, eny, na ny kely na ny lehibe dia samy ho fatin-tsabatra sy mosary izy rehetra ka ho tonga fianianana sy figagana sy fanozonana ary fandatsa.