Epistily ho an'ny Hebreo 8:13
Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa hamindra fo amin’ ny tsi-fahamarinany Aho, Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany".
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 8
Cross References
Isaiah 51:6Andrandrao ho amin’ ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
1 Corinthians 13:8Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
Hebrews 7:11Koa raha nisy fanatanterahana tamin’ ny fisoronan’ i Levy (fa tamin’ izany no nahazoan’ ny olona ny lalàna), ahoana no mbola ilana mpisorona hafa hiseho araka ny fanaon’ i Melkizedeka ihany, izay tsy hotononina ho araka ny fanaon’ i Arona?
Hebrews 9:9fanoharana izany amin’ izao andro ankehitriny izao, ary araka izany no anaterana fanomezana sy fanatitra, izay tsy mahatanteraka ny mpivavaka ny amin’ ny fieritreretana