Epistily ho an'ny Hebreo 8:2
Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
A minister of the sanctuary, and of the true tabernacle, which the Lord pitched, and not man.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 8
Cross References
Exodus 28:1Ary asaovy manatona anao Arona rahalahinao mbamin’ ny zanany, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, mba ho mpisorona ho Ahy izy, dia Arona mbamin’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara, zanak’ i Arona.
Exodus 33:7Ary fanaon’ i Mosesy ny maka ny lay ka manorina azy eo ivelan’ ny toby lavidavitra, ary ny anarany dia nataony hoe Ny trano-lay fihaonana. Ary izay rehetra nitady an’ i Jehovah dia nivoaka ho eny amin’ ny trano-lay fihaonana izay teo ivelan’ ny toby.
Romans 15:8Fa lazaiko fa Kristy efa tonga mpanompon’ ny voafora noho ny fahamarinan’ Andriamanitra hahatò ny teny fikasana tamin’ ny razana,
Colossians 2:11ary tao aminy koa no namorana anareo tamin’ ny famorana tsy nataon-tanana, tamin’ ny fanesorana ny tenan’ ny nofo, dia tamin’ ny famoran’ i Kristy;
Hebrews 9:23Koa dia tsy maintsy nodiovina tamin’ ireny ny tandindon’ ny zavatra any an-danitra, fa ny tenan’ ny zavatra any an-danitra kosa dia tamin’ izay fanatitra tsara noho ireny.
Hebrews 11:10fa nanantena hahazo ny tanàna misy fanorenana izy, Andriamanitra no Tompo-marika sy Mpanao izany.