Epistily ho an'ny Hebreo 9:1
Koa na dia ny fanekena voalohany aza dia nisy fitsipika ny amin’ ny fanompoam-pivavahana, ary nisy ny fitoerany masìna momba ny etỳ an-tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then verily the first covenant had also ordinances of divine service, and a worldly sanctuary.
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 9
Cross References
Exodus 25:8Ary asaovy manao fitoerana masìna ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho.
Leviticus 18:30Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Numbers 9:12Aza avela hasiany sisa ho tra-maraina, ary aza avela hisy hotapahiny ny taolany; araka ny lalàna rehetra ny amin’ ny Paska ihany koa no hitandremany azy.
Luke 1:6Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
Hebrews 8:2Mpanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna sy ny tena tabernakely, izay naorin’ ny Tompo, fa tsy olona.
Hebrews 8:13Amin’ ny anaovany hoe “vaovao” dia nataony fa efa ela ny voalohany. Fa izay tratra ela sy mihantitra dia efa madiva ho levona.