Epistily ho an'ny Hebreo 9:12
ary tsy mba nitondra ran’ osilahy sy ran-janak’ omby Izy, fa ny ran’ ny tenany, dia niditra indray mandeha ho any amin’ ny fitoerana masìna ka nahazo fanavotana mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 9
Cross References
Leviticus 9:15Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
Daniel 9:24Fito-polo herinandro no voatendry ho an’ ny firenenao sy ny tanànanao masìna, hahatapaka ny fahadisoana sy hanampina ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay, ary hanisy tombo-kase ny fahitana sy ny faminaniana sy hanosotra izay masìna indrindra.
Mark 3:29fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy,
Galatians 3:13Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,
Colossians 1:14Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.
Titus 2:14Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an’ ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ ny asa tsara izany.