Epistily ho an'ny Hebreo 9:22
Ary saiky diovina amin’ ny rà avokoa ny zavatra rehetra araka ny lalàna; fa raha tsy misy rà alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 9
Cross References
Leviticus 4:26ary ny saborany rehetra dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, tahaka ny saboran’ ny fanati-pihavanana ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany, dia havela ny helony.
Leviticus 5:10Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
Leviticus 5:18dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
Leviticus 14:6Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
Leviticus 14:25Dia hovonoina ny zanak’ ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
Leviticus 17:11Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.