Epistily ho an'ny Hebreo 9:27
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And as it is appointed unto men once to die, but after this the judgment:
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 9
Cross References
2 Samuel 14:14Fa tsy maintsy maty isika ka ho tahaka ny rano raraka amin’ ny tany, izay tsy azo raofina intsony; ary Andriamanitra tsy manala ain’ olona, fa mihevitra izay tsy hanariany ilay noroahiny.
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Psalms 89:48Tsarovy ny hafohin’ ny androko; Toa zava-poana mihitsy ny namoronanao ny zanak’ olombelona rehetra!
Ecclesiastes 9:5Fa fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy manana valim-pitia intsony izy; fa hadino ny fahatsiarovana azy.
Ecclesiastes 11:9Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’ izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’ Andriamanitra hotsaraina ianao amin’ izany rehetra izany.
Ecclesiastes 12:14Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra ho amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.