Bokin'i Hosea 1:4
Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak’ i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan’ ny taranak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
5Ary amin’ izany andro izany dia hotapahiko ao amin’ ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan’ Isiraely.
Cross References
Joshua 19:18Ary ny fari-taniny dia hatrany Jezirela sy Kesolota sy Sonema
2 Kings 10:1Ary nisy zanak’ i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin’ ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin’ ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak’ i Ahaba nanao hoe:
2 Kings 10:10Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
2 Kings 10:17Ary rehefa tonga tany Samaria Jeho, dia namono izay sisa rehetra tamin’ ny tamingan’ i Ahaba tany Samaria mandra-paharingany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy tamin’ i Elia.
2 Kings 15:10Ary Saloma, zanak’ i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan’ ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy.
2 Kings 17:6Ary tamin’ ny taona fahasivy nanjakan’ i Hosea no nahafahan’ ny mpanjakan’ i Asyria an’ i Samaria, dia nentiny ho babo tany Asyria ny Isiraely ka namponeniny tao Hala sy teo amoron’ i Habora (dia ny onin’ i Gozana izany) ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana.