Bokin'i Hosea 1:7
Fa ny taranak’ i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin’ ny tsipìka, na amin’ ny sabatra, na amin’ ny ady, na amin’ ny soavaly, na amin’ ny mpitaingin-tsoavaly.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan’ anaka indray reniny ka nitera-dahy.
Cross References
Exodus 14:30Izany no namonjen’ i Jehovah ny Isiraely tamin’ izany andro izany mba tsy ho azon’ ny Egyptiana; ary hitan’ ny Isiraely teny amoron’ ny ranomasina ny fatin’ ny Egyptiana.
2 Kings 19:34Fa hiaro ity tanàna ity Aho ka hamonjy azy noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
Psalms 33:16Tsy misy mpanjaka voavonjin’ ny hamaroan’ ny miaramilany; ny olo-mahery tsy voavonjin’ ny haben’ ny heriny.
Psalms 44:7Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy.
Isaiah 12:2Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia hatoky aho, fa tsy mba hatahotra; Fa Jehovah Tompo no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy.
Isaiah 49:6Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’ i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin’ ny faran’ ny tany.