Bokin'i Hosea 10:11
Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 25:4Aza manakombona ny vavan’ ny omby mively vary.
Isaiah 28:24Moa ny mpiasa tany va miasa mba hamafy, na mitombo-doha sy mandravona ny taniny mandrakariva?
Hosea 2:5Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin’ ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
Hosea 4:16Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr’ ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan’ i Jehovah toy ny zanak’ ondry eny amin’ ny malalaka izy.
Hosea 11:4Tamin’ ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin’ ny mahazakan’ ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava eo ambonin’ ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.