Bokin'i Hosea 10:5
Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 7:2Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’ i Betavena, atsinanan’ i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’ i Ay.
1 Samuel 4:21Dia nataony hoe Ikaboda ny anaran’ ny zaza; fa hoy izy: Afaka ny voninahitry ny Isiraely, satria efa lasan-ko babo ny fiaran’ Andriamanitra, sady efa maty koa ny rafozany sy ny vadiny.
2 Kings 10:29Nefa Jeho tsy dia niala tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, dia tamin’ ireo ombilahy kely volamena izay tao Betela sy Dana.
2 Kings 23:5Ary natsahany koa ny mpisorona amin’ ny andriamani-tsi-izy, izay notendren’ ny mpanjakan’ ny Joda handoro ditin-kazo manitra eny amin’ ny fitoerana avo tany amin’ ny tanànan’ ny Joda sy tamin’ ny manodidina an’ i Jerosalema, sy izay nandoro ditin-kazo manitra koa ho an’ i Bala, dia ny masoandro, ary ho an’ ny volana sy ny kintana amin’ ny Zodiaka ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
2 Chronicles 13:8Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’ i Jehovah, izay eo an-tànan’ ny taranak’ i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’ i Jeroboama ho andriamanitrareo.
Hosea 5:8Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!