Bokin'i Hosea 10:9
Hatramin’ ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 6:5Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
Judges 19:22Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin’ ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
Judges 20:13Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak’ i Benjamina tsy nety nihaino ny feon’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny.
Judges 20:21Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak’ i Benjamina ka naharingana ny Zanak’ Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany tamin’ izany andro izany.
Hosea 9:9Fatra-panao ratsy toy ny tamin’ ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
Matthew 23:31Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.