Bokin'i Hosea 12:2
Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin’ ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 17:4Ary ny mpanjakan’ i Asyria nahita fa niodina Hosea; fa efa naniraka olona tany amin’ i So, mpanjakan’ i Egypta, izy sady tsy nanatitra hetra ho an’ ny mpanjakan’ i Asyria intsony tahaka ny fanaony isan-taona; koa dia nanidy azy ny mpanjakan’ i Asyria sy namatotra azy tao an-trano-maizina.
Job 15:2Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin’ ny rivotra avy any atsinanana va,
Ecclesiastes 5:15Dia ratsy mahory koa izany, fa toy izay nihaviany indrindra no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ ny rivotra?
Isaiah 8:7Dia, indro, hampiakarin’ ny Tompo hanafotra azy ny rano be sady manonja amin’ ny Ony (Dia ny mpanjakan’ i Asyria sy ny voninahiny rehetra); Ary ny masondranony rehetra ho tondraka, Ary ny morony rehetra hihoarany;
Isaiah 10:12Kanefa rehefa vitan’ ny Tompo ny asany rehetra ao an-tendrombohitra Ziona sy Jerosalema, dia hovaliany kosa ny vokatry ny fiavonavonan’ ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria sy ny reharehan’ ny fiandranandran’ ny masony;
Isaiah 30:6Faminaniana ny amin’ ny behemota any amin’ ny tany atsimo. Any amin’ ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian’ ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran’ afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin’ ny boriky tanora ary ny fananany teo amin’ ny trafon’ ny rameva ho any amin’ ny firenena tsy mahasoa azy.