Bokin'i Hosea 12:6
Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Therefore turn thou to thy God: keep mercy and judgment, and wait on thy God continually.
In Context
Cross References
Exodus 3:15Ary hoy koa Andriamanitra tamin’ i Mosesy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ i Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba, no efa naniraka ahy ho atỳ aminareo; izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Psalms 37:7Miantombena tsara miandry an’ i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin’ izay ambinina amin’ ny lalany dia amin’ izay olona manao sain-dratsy.
Psalms 130:5Niandry an’ i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.
Proverbs 21:3Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak’ i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-drà.
Isaiah 8:17Ary hiandry an’ i Jehovah aho Izay manafina ny tavany amin’ ny taranak’ i Jakoba, Ka hanantena Azy ihany aho.
Isaiah 31:6Koa miverena ho amin’ izay efa niodinanareo fatratra, ry zanak’ Isiraely ô.