Bokin'i Hosea 13:15
Fa Efraima dia hahavokatra eo amin’ ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr’ i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:23ary, indreo kosa, nisy salohim-bary fito sady malazo no maivam-boa, main’ ny rivotra avy any atsinanana, niseho nanaraka ireny;
Genesis 48:19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
Deuteronomy 33:17Ny voalohan-teraky ny ombiny dia malaza, Tandrok’ ombimanga ny tandrony; Izany no hanotoany ny firenena rehetra, Dia ny faran’ ny tany; Ireo no alinalin’ i Efraima Sy arivoarivon’ i Manase.
Psalms 1:4Fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy fa toy ny akofa aelin’ ny rivotra izy.
Isaiah 14:21Manamboara famonoana hamelezana ny zanany noho ny heloky ny razany; tsy hitsangana hanana ny tany izy, Na hanorina tanana eran’ izao tontolo izao.
Isaiah 41:16Hikororoka azy ianao, ka hopaohin’ ny rivotra izy, ary ny tafio-drivotra hanely azy; Fa ianao kosa dia hiravoravo amin’ i Jehovah, ary ny Iray Masin’ ny Isiraely no ho reharehanao.