Bokin'i Hosea 13:2
Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan’ ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 32:14Ary, indreto, ianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah amin’ ny Isiraely.
1 Kings 19:18Nefa hamela fito arivo ao amin’ ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
2 Chronicles 33:23ary tsy nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.
Psalms 115:4Volafotsy sy volamena ny sampin’ ireny, Asan’ ny tanan’ olona:
Isaiah 1:5Nahoana no mbola ta-hasiana ihany ianareo noho izao fiodinanareo lalandava izao? Henika aretina avokoa ny loha rehetra, Ary marary ny fo rehetra.
Isaiah 44:11Indro, ho menatra ny namany rehetra; Fa ny mpiasa dia olona ihany; Aoka hivory izy rehetra ka handroso; Aoka ho raiki-tahotra sy ho menatra avokoa izy.