Bokin'i Hosea 13:5
Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin’ ny tany mampangetaheta.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I did know thee in the wilderness, in the land of great drought.
In Context
Cross References
Deuteronomy 2:7Fa Jehovah Andriamanitrao efa nitahy anao tamin’ izay rehetra nataon’ ny tananao; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity; izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao, ka tsy nanan-java-mahory akory ianao.
Deuteronomy 32:10Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin’ ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
Psalms 31:7Halako izay mivavaka amin’ ny sampy; fa Jehovah kosa no itokiako.
Psalms 142:3Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.
Jeremiah 2:6Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’ olona akory na nonenan’ olona?
Hosea 9:10Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin’ ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an’ ilay tiany ihany izy.