Bokin'i Hosea 14:1
Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin’ Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
O Israel, return unto the LORD thy God; for thou hast fallen by thine iniquity.
In Context
2Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
Cross References
2 Kings 8:12Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
Isaiah 55:6Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Jeremiah 3:12Mandehana, ka torio manatrika ny avaratra izao teny izao hoe: Miverena ianao, ry Isiraely mpiodina, hoy Jehovah; Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho; Fa mamindra fo Aho, hoy Jehovah, ka tsy hitahiry fahatezerana mandrakizay.
Lamentations 5:16Efa afaka ny satro-boninahitra tamin’ ny lohanay; Idiran-doza izahay, fa efa nanota!
Ezekiel 28:14Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin’ Andriamanitra ianao; Tao amin’ ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
Hosea 6:1Andeha hiverina ho amin’ i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.