Bokin'i Hosea 14:4
Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin’ ny asan’ ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan’ ny kamboty famindram-po.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I will heal their backsliding, I will love them freely: for mine anger is turned away from him.
In Context
5Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
Cross References
Exodus 15:26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Numbers 25:11Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, nampiala ny fahatezerako tamin’ ny Zanak’ Isiraely, raha firehitra noho ny fitiavany Ahy izy; ka dia tsy nataoko lany ringana ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny firehetan’ ny fahatezerako.
Psalms 10:14Efa nahita ihany Hianao, satria mijery fahoriana sy alahelo, mba hovalian’ ny tananao. Hianao no iononan’ ny mahantra; Hianao no Mpamonjy ny kamboty.
Psalms 78:38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Isaiah 57:18Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ ny malahelo ao aminy,
Jeremiah 5:6Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.