Bokin'i Hosea 2:10
Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an’ i Bala,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 24:7Fa ny zanak’ i Atalia, ilay vehivavy ratsy fanahy, efa nandrava ny tranon’ Andriamanitra; ary ny zavatra masìna rehetra tao an-tranon’ i Jehovah koa dia efa nateriny ho an’ ireo Bala.
Proverbs 11:21Azo itompoana tokoa fa tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
Jeremiah 13:22Ary raha manao anakampo ianao hoe: ahoana no nahatonga izao tamiko? Noho ny haben’ ny helokao no nampiaingana ny moron-tongotr’ akanjonao sy nandratrana ny ombelahin-tongotrao.
Ezekiel 16:16Ary nangalanao ny fitafianao, dia nanaovanao fitoerana avo ho anao ka noravahanao sora-damba, ka nijangajanga teo aminy ianao; dia zavatra izay tsy tokony hiseho na hisy akory.
Ezekiel 16:36Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Noho ny nandanianao volabe sy ny nampisehoana ny fitanjahanao tamin’ ny nijangajanganao tamin’ ireny lehilahinao sy ny sampinao rehetra, izay fahavetavetanao, ary noho ny ran’ ny zanakao izay naterinao ho an’ ireo.
Hosea 2:3Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.