Bokin'i Hosea 2:11
Koa dia halaiko indray ny variko amin’ ny androny sy ny ranom-boaloboko amin’ ny taonany, ary haoriko ny volon’ ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:20fa tsy hahavoka-javatra ny taninareo, any tsy hamoa ny hazo amin’ ny tany.
Isaiah 1:13Aza mitondra fanati-poana intsony; Fofona fahavetavetana amiko izany! Ny voaloham-bolana sy ny Sabata ary ny fiantsoam-piangonana Tsy zakako ny fivoriana masìna haroharoam-paharatsiana!
Jeremiah 7:34Dia hatsahatro any an-tanànan’ ny Joda sy eny an-dalamben’ i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
Jeremiah 25:10Ary hatsahatro eo aminy ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina, ny feon’ ny vato fikosoham-bary ary ny fahazavan’ ny jiro.
Hosea 3:4Fa andro maro no hitoeran’ ny Zanak’ Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.
Hosea 9:2Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.