Bokin'i Hosea 2:4
Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin’ ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And I will not have mercy upon her children; for they be the children of whoredoms.
In Context
3Manaova amin’ ny rahalahinareo hoe: Amy, ary amin’ ny anabavinareo hoe: Rohama.
Cross References
2 Kings 9:22Ary Jorama, nony nahita an’ i Jeho, dia nanao hoe: Fihavanana va, ry Jeho? Fa izy namaly hoe: Aiza no hisy fihavanana, raha mbola ao ihany ny fijangajangan’ i Jezebela reninao sy ny fankatovana betsaka ataony?
Isaiah 50:1Izao no lazain’ i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin’ izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Jeremiah 13:14Ary hampifamohiko izy, dia ny ray mbamin’ ny zanany, hoy Jehovah; Tsy hiantra Aho, na hitsitsy, na hamindra fo tsy handringana azy.
Ezekiel 8:18Ary Izaho kosa dia hamely amin’ ny fahatezerako; tsy hiantra ny masoko, sady tsy hamindra fo Aho; ary na dia mitaraina mafy eo an-tsofiko aza izy, dia tsy hihaino azy Aho.
Hosea 1:2Tamin’ ny niandohan’ ny nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin’ i Jehovah ny tany.
Zechariah 1:12Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah namaly hoe: He, Jehovah, Tompon’ ny maro ô! mandra-pahoviana no tsy hamindranao fo amin’ i Jerosalema sy amin’ ny tanànan’ ny Joda, izay efa nahatezitra Anao fito-polo taona izay.