Bokin'i Hosea 3:2
Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin’ ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 31:41Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin’ ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’ osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
Exodus 22:17Aza velomina ny vehivavy manana ody.
1 Samuel 18:25Dia hoy Saoly: Izao no holazainareo amin’ i Davida: Ny mpanjaka tsy mila harena be ho vodiondry, fa ny mariky ny fahafatesan’ ny Filistina zato lahy ihany, mba ho famaliana ny fahavalony. Kanjo hevitr’ i Saoly hahafaty an’ i Davida amin’ ny tanan’ ny Filistina izany.
Ezekiel 45:11Hitovy fatra ny efaha sy ny bata, ary ny bata hahalany ny ampahafolon’ ny homera, ary ny efaha koa dia ampahafolon’ ny homera: ny homera no mariky ny fatrany.